<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Jeso Kristy Tomponay,
 Zanaka malalan-dRay,
 No naetry ho anay ;
 Mamonje anay anie.

[V2]
 He ! ny fahatsoranao
 Sy ny fahadiovanao,
 Tsy mpanota Hianao :
 Mamonje anay anie.

[V3]
 Hianao no marina,
 Mora fo sy masina,
 Ary tsy mialona :
 Mamonje anay anie.

[V4]
 Tsy niala sasatra,
 Tsy nandà ny sarotra,
 Fa nitondra henatra :
 Mamonje anay anie.

[V5]
 Heloka tsy rariny,
 Hianao najaliny
 Tao an-tampon-Kalvary :
 Mamonje anay anie.

[V6]
 Lasanao ny helokay,
 Raha mibebaka izahay
 Tsy manao ny sitrakay :
 Mamonje anay anie.

[V7]
 He ! ny fitsangananao,
 Resy ny fahavalonao
 Tamim-boninahitra :
 Mamonje anay anie.

[V8]
 Hianao, ry Jeso ô !
 Anateranay izao
 Saotra izay anjaranao :
 Mamonje anay anie.

[V9]
 Fo, fanahy, tena koa,
 Ho anao mba hahasoa
 Izay rehetra tia tokoa :
 Mamonje anay anie.</lyrics>
<title>Jeso Kristy Tomponay, FFPM818</title>
<hymn_number>818</hymn_number>
</song>